Teny iditra mandratra (ratra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Tambahoaka, Tanala] manimba
  [Rajemisa 1985] Manisy na mamely olona amin-java-maranitra ka mahatonga azy hanana fery: Esory io vy maranitra io sao mandratra ny zanakao
¶ Mampitondra alahelo: Nanao teny nandratra ny fony ianao
¶ Mahatonga fahavoazana, mampahita loza, mamohehatra, mampidi-doza: Tandremo fandrao mandratra anao io ady any amin' ny fitsarana io
¶ Manimba, mahatonga fatiantoka: Nanahy ihany izy sao handratra azy ilay vahiny nampiantranoiny tao aminy
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885 takila 504] to hurt, to wound, to injure
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 515] blesser, meurtrir, déchirer, égratigner: Esory ireo hazo ireo, sao mandratra (Enlevez ces bois, de peur qu'ils ne blessent quelqu'un)
¶ gâter des fruits, déparer quelque chose
¶ Figuré: exposer à un malheur: Tandremo fandrao mandratra anareo io ady io (Prenez garde que ce procès ne vous soit funeste)
Haiendriteny 
mandratra
nandratra
handratra
mandratrà

Teny iditra mandratrà (ratra)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandratra [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 515]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31