Teny iditra | mandroso (roso) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Manolotra zavatra ho an' olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an' ny vahiny ¶ Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-baravarana eo fotsiny ¶ Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao ¶ Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny ¶ Lasa aloha fa tsy amin' ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika ¶ Lasa nihoatra nankany amin' ny...; mitsopaka, manaoangady be lela: Mandroso lavitra dia tavitra anatin' ny ranomasina ny morontsiraka amin' itý toerana itý ~ Mandroso be loatra amin' ny taniko izany asanao izany ¶ Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso voninahitra intsony ilay manamboninahitra [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | to progress, to forge ahead; to put forward, to present; to enter a house [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | avancer, progresser; présenter une chose ou une idée; entrer dans une maison [Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra | Andeha hiara-mandroso daholo isika hoy Randrianaivo, fa mandany andro foana izao. [Rajohanesa: Kintana] | ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny mandroso io | ||||||||||||||||
Haianarantany | |||||||||||||||||
Teny iditra | Mandroso | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | anarana (gazety) | ||||||||||||||||
Mpanoratra | |||||||||||||||||
Voambolana | Mpanonta printy, gazety | ||||||||||||||||
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2021/03/25 |
![]() |