Teny iditra | maneno (neno) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mamoaka feo mikarantsana (fiteny indrindra amin' ny zavamaneno tendrena na pehina na tsofina): Maneno mafy ny lakolosy fa fety ny andro ~ Henonao ve izany bingona maneno izany? ¶ Mihirahira (vorona): Raha vao maraina, dia heno maneno any anaty hazo any ny voronkely ¶ Enti-milaza ny feom-biby madinika: Efa naneno ny sahona ¶ Miteniteny mafy mikarantsana, mipentsompentsona, mivatsavatsa: Loza izany raha vehivavy; maneno ao izy no nilaozako ¶ (fiteny somary baranahiny) Lafo be: Maneno izany vidin' itỳ vatosoa itỳ izany... [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To sound [Richardson 1885, Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
To crow, to sing, to chirp, to ring. [Richardson 1885] | |||||||||||||||||
To ring out [Hallanger 1973] | |||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Sonner, retentir [Abinal 1888, Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Produire un son, résonner, crier, chanter, braire [Abinal 1888] | |||||||||||||||||
Voambolana | Feo | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra | Ireny no maneno sahala amin' ny lakolosy am-bovonana ka manome laza hafahafa tsy sitrany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 78] | ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny maneno io | ||||||||||||||||
Teny iditra | mañeno (eno) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Sihanaka, Taisaka] maneno [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||||||
Teny iditra | maneno | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] mampiempo (tenoy) [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |