Teny iditra | mangidy (ngidy) | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Fanazavàna teny malagasy | Manana tsiro ratsy be amin' ny le-la, mampivivy, mifanohitra amin' ny mamy: Mangidy ny kininina ka tsy tian' ny zaza ¶ Masiaka: Mangidy ny sakay ¶ Mampahory izaitsizy, mampangirifiry ¶ Mangidy izay fahoriana nanjo azy izay ¶ Tsy anerany, mihoa-pampana: Mangidy ny halafon' ny hena ankehitriny izany ¶ Fatratra, mantsalay, kinga sy mahay: Mangidy io Rangahy io raha hampianatra ¶ Mafy, manindrona: Mangidy izany teny izany, hoy ny olona nihaino ny tenin' ny manampahefana ¶ Sarotiny, mahihitra: Lehilahy mangidy velona iny; tsy hanome eranambatry anao iny na hiofo aza ny angidina [Rajemisa 1985] | |||
Fanazavàna teny anglisy | bitter [Richardson 1885, Hallanger 1973] | |||
Fanazavàna teny frantsay | amer [Hallanger 1974] | |||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Ohatra | Ireo sady tsy manam-bary no tsy manam-bola dia mangidy indrindra ny manjo azy. [Andraina: Mitaraina] | |||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny mangidy io | |||
Teny iditra | mangidy | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] saro-tongavina [Rakotosaona 1975] | |||
Fanazavàna teny anglisy | expensive [Hallanger 1973] | |||
Fanazavàna teny frantsay | qui coûte cher [Hallanger 1974] | |||
Teny iditra | mangidy (hidy) | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] mangidihidy [Rakotosaona 1975] | |||
Fanazavàna teny frantsay | [Sakalava-Mayotte] qui démange, qui donne envie de se gratter [Andilidine: Lexique (takila M)] | |||
Teny iditra | mangidy | |||
Sokajin-teny | anarana | |||
Fanazavàna teny frantsay | [Betsimisaraka, Sihanaka] (de ngidy : amertume, goût amer). Nom des arbres dont les écorces sont particulièrement amères. Notamment : Physena madagascariensis Thouars ex Tul. (Physenaceae) réf. Humbert 13.899. D'après G. Cours, on attribue à ces écorces des propriétés calmantes, sédatives. Écrasées fraîches, on en frotte la peau pour empêcher les sangsues aériennes de s'y fixer. [Boiteau 1997] | |||
Voambolana | Haizavamaniry ~ Fahasalamana | |||
Anarana siantifika | Physena madagascariensis | |||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |