Teny iditra |
manitikitika
(kitikitika)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mikasikasika (olona) amin' ny faritra mahatonga azy hihomehy, manibokibo: Tsy tiako ny mandeha amin' ny ahitra fa manitikitika ny faladiako ¶ Mangataka amim-pahanginana: Nanitikitika ahy izy mba hahazoany iny akanjo iny ka nomeko ¶ Tsy mampandry (saina), mahatonga ho velona ahiahy: Misy fanontaniana manitikitika ny saiko [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | to tickle, to touch with the fingertips [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | chatouiller, toucher avec le bout des doigts [Hallanger 1974]
|
Haiendriteny |
|
|