Teny iditra manjombona (jombona)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] maloka fa rakotry ny rahona ny habakabaka: Manjombona ny andro
¶ malahelo endrika, oriory tarehy sy maloka: Manjombon-dava no ahitako an' io Rangahy lo
¶ mampiseho ahiahy: Manjombona ny endriny
¶ maizimaizina, tsy mazava: Hazavao fa manjombona ny hevitrao
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] to be cloudy; be gloomy (of the face)
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] sombre, obscur, nébuleux
¶ être sombre
  [Hallanger 1974] être nuageux, sombre; avoir le visage sombre
Haiendriteny 
manjombona
nanjombona
hanjombona
Ohatra 
1 [Abinal 1888, takila 299] Manjombon-dava io vehivavy io (Cette femme est toujours sombre)
2 [Andraina: I Vola, takila 113] Endrika manjombona daholo ny an' ny eran' ny trano.
3 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 26] Maimaina sy manjombona ery ny tavan-dRainitoandro amin' izay.
4 [FOFAFIPE: Tongavola, takila 98] ny tontolo iainana Zavaboary malagasy Manjombona be ny andro.
5 [Rajaonarivelo: Bina, takila 100] hoy Rabery, izato androm-pahalehibeazantsika Razafy, takariva manjombona!
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31