Teny iditra manofy (nofy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahita amin' ny torimaso: Nanofy an-dRakoto rainy, hono, izy
¶ Mahatsiaro toa manao asa eo am-patoriana: Nanofy nitaingina fiaramanidina nankeny amin' ny volana aho [1.1]
Fanazavàna teny frantsay rêver: Manofy olona (Voir quelqu'un en songe) ~ Manofy mihira (Chanter en songe) [1.3]
Haiendriteny 
manofy
nanofy
hanofy
manofisa
Mpitovy hevitra manonofy
Ohatra Alao ary, ka vonoy, fa hitan-tsikidy, ary ny atodiny andrahoy manokana, ary mandrahoa vary sosoa, ary rehefa masaka dia arosoy, ka ny atodiakohodia hianao lehilahy manapoka eo amy ny toko, ary ny vadinao manofy, ka dia apetraho eo am-bilianay [2.293]

Teny iditra mañofy (hofy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] mivaofy, mamaofy [1.78]
  [Taisaka] mivaofy, mamaofy, manaisotra ny hofy [1.78]
  [Sihanaka] mivaofy [1.78]
  [Tanosy] manendaka hoditra [1.78]

Fivaditsoratra mifona, famony, finoma

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20