Teny iditra | maty (faty) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoanteny mpamaritra | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo ¶ Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany ¶ Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra ¶ Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro ¶ Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy ¶ Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany ¶ Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany ¶ Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | dead [Richardson 1885, Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
gone out as a lamp, or a fire [Richardson 1885] | |||||||||||||||||
paralyzed (of the limbs) [Hallanger 1973] | |||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | mort [Abinal 1888 takila 437, Hallanger 1974, Boiteau 1997] | ||||||||||||||||
paralysé (se dit des membres du corps) [Hallanger 1974] | |||||||||||||||||
paralysé [Boiteau 1997] | |||||||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Mpanahaka | dangy ~ diso ~ fohatra ~ jedana ~ jihitra ~ jingy ~ lasa any amin' ny varo-tsy mifody ~ lasa any an-koatra ~ lasan' andriamanitra ~ lasan-ko razana ~ latsaka aina ~ mandry ao ambany rangolahy ~ manjahana ~ miamboho ~ miondambato mangatsiaka ~ mitsitra ~ modimandry ~ nivoaka ny varavaran-kazo ka niditra ny varavaram-bato ~ nody vovoka ~ tapitra andro ~ tsy miaina ~ tsy tra-drano ~ Rabevoina ~ Ratompokolahy ~ Ratompokovavy | ||||||||||||||||
Ohatra |
| ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny maty io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2022/05/31 |
![]() |