Teny iditra mialokaloka (alokaloka (aloka))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mialoka amin' ny hainandro: Hadalanany mialokaloka amin' ny hazo tsisy ravina
¶ Mitady fiarovana amin' ny loza na fanenjehana: Mialokaloka any Alemaina andrefana ireo mpitsoa-ponenana avy any atsinanana [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny mialokaloka
Ny lasa nialokaloka
Ny hoavy hialokaloka
Ohatra Feno an-dRavokatra mivady ny tsena, ka tapitra notetezina avokoa na ny magazay mitandahatra, na ny "pavillon" mpivaro-damba sy firavaka, na ny mpandafo mialokaloka amin' ny elobeny. [2.470]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31