Teny iditra miambina (ambina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Manara-maso na mitandrina olona na biby na zavatra napetraka eo ambany fiadidian' ny tena mba hiaro azy tsy ho simbasimba foana na hisakana azy tsy handositra: Soa ihany fa miay polisy miambina ny vohitra amin' ny alina ~ Iza no miambina ny gadra anio
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] to be on the watch, to be on guard, to keep guard; to guard, to watch.
  [Hallanger 1973] to watch, to guard
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] surveiller, garder
Haiendriteny 
miambina
niambina
hiambina
miambèna
Ohatra 
1 [Andraina: Mitaraina, takila 212] Ny Vazahan' ny tranomilina lasa daholo, i Beomby no sisa Vazaha ao, izy sy ny mpiasany no miambina ny tanànany.
2 [Baiboly: 9:026:015/1 Samoela 26:15..] Koa nahoana hianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao?
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/05