Teny iditra midina (idina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha mankamin' ny toerana ambanimbany kokoa: Nidina tany ambany rihana aho raha vao nandre ny feony
¶ Mivarina: Midina any Betsiboka Ikopa
¶ mihemotra, mitambotsotra, lasa ambanimbany kokoa: Midina, hono, ny vidim-bary fa efa tonga ny vary vao ~ Efa sitrana ny zanakao fa efa nidina ny hafanany
¶ Mikoriana: Midina eo amin' ny takolany ny ranomasony
Mitovy hevitra: (mikoriana) manao ankororosy ~ mandeha any ava ~ manorika ~ mikodingy ~ mikorisa ~ mikorotsaka ~ mitambalana ~ mitambororotra ~ mitamborotsaka ~ mitsontsori-bava ~ mitsontsorika ~ mivalana ~ mivalangidina ~ mivalangitrika ~ mivarina
Mitovy hevitra: (midina) manao lanja midina ~ mandrorona ~ mianotra ~ mibotetaka ~ mietry ~ mietry vintana ~ mihemotra ~ mikororosy fahana ~ mitakemotra ~ mitambotsotra ~ mivarilavo ~ mivarina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy to pour out, to go down, to descend, to flow out [1.2]
 to come down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay descendre [1.3, 1.8, 1.13]
 baisser [1.3, 1.8]
 couler comme le liquide [1.3]
 couler [1.8]
Haiendriteny 
midina
nidina
hidina
midìna
Kamban-teny 
Ohatra 
1Nidina tany Mojanga izy (Il est descendu à Majunga) [1.3]
2Nidina tany ambanivohitra izy (Il est allé à la campagne) [1.3]
3Midina hoatra ny rano ny ranomasony (Ses larmes coulent comme de l'eau) [1.3]
4Midina ny barometratra (Le baromètre descend) [1.3]
5Midina ny ranomasina (La mer baisse) [1.3]
6Nidina ny tohatra izy, haingana sy hendratrendratra ... [2.470]
7Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay. [2.472]
Ohabolana 

Teny iditra midìna (idina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao midina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra minday, andimy, dimany, dimina, madiñy, manidy

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20