Teny iditra mifihifihy (fihifihy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Mangovitra, mihoron-koditra: Mifihifihin' ny hatsiaka ity zaza ity fa rakofy lamba mafana
¶ Mihararetra: Vao nambanako izy dia nifihifihy
¶ Mangaihay, kepoka: Nifihifihy teo anatrehan' ny mpitsara ilay voampanga
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] To shiver, to shudder, to quake
Haiendriteny 
mifihifihy
nifihifihy
hifihifihy
mifihifihia
Ohatra 
1 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 153] Sady mibaiko izy, no manontany, no manompa, ka i Lidy mifihifihy no manaraka azy eto aoriana sy manao izay lazainy.
2 [Andraina: Mitaraina, takila 46] Na ny omby aza no karavasiana, hita fa mifihifihy, taitra ary mihorona ny hodiny nandalovan' ilay dian-karavasy.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31