Teny iditra momba (omba)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Manaraka, mihazo: Nomba irý lohasaha ambany atsimo irý izy
¶ Miaraka, mandeha miaraka, manotrona: Intý ny lambamena homba ny maty ~ Nisy lehilahy telo nomba azy
¶ Miandany, manampy: Moa momba ny tarik' i Rainisongomby ve ianao?
¶ Mikasika: Miresaka momba ny fanampiana ireo tra-boina ny fokonolona
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] to follow, to accompany, to associate with, to take part with.
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] suivre, accompagner, aller ensemble, suivre une direction; se ranger du parti de quelqu'un, concerner, regarder: Misy miaramila maro momba azy (Il y a plusieurs soldats qui l'accompagnent) ~ Nomba tanety izy (Il est passé par terre) ~ Nomba io tendrom-bohitra io izy (Il a suivi cette montagne) ~ Momba ny mpikomy izy (Il s'est rangé du côté de rebelles) ~ Raharaha momba ny fianakaviako izany (C'est une affaire qui regarde ma famille)
Haiendriteny 
momba
nomba
homba
mom

Teny iditra momba
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Ny amin' ny, mikasika ny...: Niresaka momba ny fitsapana hevibahoaka izahay
Ohatra  [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 11] Dia niresaka momba ny varotra sy ny vidin-javatra izy mivady.

Teny iditra momba
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tsy miteraka: Taloha nalain' ny fanjakana ny fananan' ny olona momba (ny biby raha tsy miteraka, tsy mba atao hoe momba fa bada)
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] barren. Used of women
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] barren (used of human beings)
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] stérile (se dit ses personnes)

Teny iditra mom (omba)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao momba [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885]
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888]

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/14