Teny iditra mora
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tsy sarotra atao: Mora adika io lahateny io ~ Mora ny maniny fa sarotra ny manao
¶ Kely vidy, tsy lafo: Mora ny vary rehefa fararano
¶ Malemy fanahy, malemy paika, rainazy: Tsy hahita olona mora be ohatra azy ianao
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] easy; slow; cheap
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] facile; lent; bon marché
  [SLP 1986] facile; bon marché
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
 
Ohatra  [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 118] Ny fiainana tsy vita mora rahateo:
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny mora ity (3): Moramanga, Morarano, Vatomora

Teny iditra mora
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Miadana: Mandehana mora fa ratsy ny lalana (matetika ny verindroa moramora no ampiasaina amin' io hevitra io)
¶ Amin-kalemem-panahy, tsy mitratreva: Alaina mora no fakana ny ankizy, indrindra rehefa ilay sakasakan-jaza iny izy
¶ Malaky: Mora tezitra, mora misafoaka ny mpampianatra anay
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] easily
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] facilement

Nohavaozina tamin' ny 2022/05/02