Teny iditra na
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Teny mpampitohy
¶ Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra
¶ Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora na kely na lehibe
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] or, nor, though, whether, neither, if. It is also used to form several indefinite pronouns and adverbs. Comp. SA.
  [Hallanger 1973] or; either; neither
Fanazavàna teny frantsay  [Rajemisa: Grammaire] ou. Manorata na mamakia boky: samy mety daholo izay ataonao: écrivez ou lisez: ce que vous choisissez de faire est bon. Samy mamy na ny ray na ny reny. Samy mampalahelo na ny mpandany na ny kahihitra.
  [Hallanger 1974] ou
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra na
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy:
1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo;
2) amin' ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila;
3) amin' ny filazana mpanao asan' ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy

Teny iditra na
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay enti-manazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananarivo na ilay Analamanga fahiny

Teny iditra na~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny na~]
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] préfixe comme dans naotra

Teny iditra Na
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  [3.1] Singa mivaingana, faha-11 amin'ny fisokajiana miherina.
Fanazavàna teny anglisy  [3.1] Sodium.
Voambolana 
Ny fihaviany Latina: natrium.

Nohavaozina tamin' ny 2022/08/14