|
|
|
|

Entrée1  Naloan' ny fasana
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème)
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Narivony Jean
Tableaux et planches  5  Liste des poèmes
Texte complet 
6  Dia nody ny tafika fa avy nandresy,
7  Nirava ny toby,
8  Ka heno nanako ny antsa misesy
9  Narahina hoby.
10  'Reo foloalindahy nomban-Janahary
11  Nirehi-pamindra
12  Tsy resy tan' ady sy tsara mpirary
13  Ka mirana indrindra!

14  Somebika faly ny tao an-tanàna, io
15  Nifampiarahaba.
16  Hatraiza hatraiza dia nisy korana
17  Nomban-tabataba.
18  Kanefa indrisy! tanatin' izany,
19  Rahanitriniala
20  Dia re nitoloko sy heno tomany,
21  Nilaoza-malala !

22  Ravalo, hono, maty nanolotra ny ainy
23  Ho antoky ny ady,
24  Dia very ny toky nampanantenainy,
25  Ka ory ity vady;
26  'Lay hany domohina mamin' ny fony,
27  Nindaosim-papango;
28  Ny fiainana zary tsy sitrany intsony,
29  Fa feno farango.

30  Rehefa ho tapitra, hono, ny fetra
31  Aharetan' ny saona,
32  Dia tonga ireo efa naniry rehetra
33  Nitady hihaona.
34  Kanefa Rahanitra tsy mba nandray
35  Ny fitia kolokolo;
36  Nilaozan' ny vary ka mandrakizay
37  Tsy mila pisolo!

38  Niroso ny jono, nitranga ny vovo,
39  Fa tsy nahavoa;
40  Ny antitra trema, ny sidin-jatovo
41  Niseho avokoa,
42  Kanefa ny vola sy ny endrika kanto
43  Tsy nanana hery;
44  Nanoro niangavy ireo hanam-binanto
45  Fa tsy afa-nanery!

46  " Ny ahy, ny foko, ry dada sy neny,
47  Tsy ketsa nafafy
48  Ka ho haiko afindra ombieny ombieny,
49  Fa aleoko mihafy.
50  Ny ahy fitiavana latsaka anaty
51  Maningotra ny aiko,
52  Ka aoka hanaraka ilay efa maty
53  Tsy afaka an-tsaiko!"

54  Dia nofiny, hono, indray alina izay,
55  'Lay tiana eram-po
56  Nivoaka naloan' ny fasana indray,
57  Tsy simba na lo.
58  Dia tamy namafa ny tavany, hono,
59  'Zay feno tomany,
60  No sady nandrehitra ny afo voavonon'
61  Ny Fanantenany!

62  Kinanjo karazan' ny embona ihany
63  'Ty nofiny soa,
64  Fa indro' lay efa natelin' ny tany
65  Nitranga tokoa !
66  Nitsaha-piavy' lay ora-mandriaka
67  Nanako-masoandro,
68  Nisava ny rahona ka nibaliaka
69  Ny taratry ny andro!

70  Tsy maty Ravalo, fa nony naratra
71  Dia lasan-ko babo,
72  Ka tonga tantanan' izay olona antra
73  Mba nety nitsabo.
74  Rehefa vimbinin' ilay Fitondrana,
75  Tsy misy ahina,
76  Ka indro fa tody eo an-tany nialany
77  Ravalonirina !

78  Ny tena fitiavana, hoy aho mantsy,
79  Dia mandrakizay;
80  Voarohin' ny tady tsy tapaky ny antsy
81  Ny fo mifandray!
82  Ny senton' ny lavitra mety ho heno,
83  Miampita tokoa
84  Rehefa fitiavana iray no mameno
85  Ny fon' olon-droa!

Mis à jour le 2024/11/25