Teny iditra |
nomby > omby
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin' io toerana io): Be loatra ny olona nasaina fa tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin' io efitra kely io? [Rajemisa 1985]
|
| antonona, sahaza ka samy azo faritana amin'ny io na ny ampidirana na ny ampidirina: Tsy omby ny tongony ilay kiraro / Tsy omby an' ilay kiraro ny tongony [Akademia 2005]
|
| [Sihanaka]
antonona
[Rakotosaona 1975]
|
Fanazavàna teny anglisy | sufficient, enough, competent, large, spacious, roomy, reaching to, arriving at. It is also used for mby
[Richardson 1885]
|
Fanazavàna teny frantsay | suffisant, capable de contenir, qui contient; arrivé, rendu, entré dans: Omby olona roapolo ity trano ity (Cette maison peut contenir vingt personnes) ~ Tsy omby ny tongotro ireto kiraro ireto (Ces souliers sont trop petits pour mes pieds) ~ Nony omby tao an-trano izy... (Lorsqu'il fût arrivé à la maison...) [Abinal 1888]
|
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Teny nalaina |
Sary |
|
|
Teny iditra |
nomby > omby
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Biby lehibe ompiana, karazan' ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin' ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan' ny harena lehibe ho an' ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. [Rajemisa 1985]
|
| biby lehibe tariky ny misy taolantehezana, mandinika, miteraka sy mampinono ka iray hatrany ny zanany na dia mety hiteraka kambana aza; ... [Akademia 2005]
|
Fanazavàna teny anglisy | an ox, a cow, cattle. Bos indicus, Var. [swa. Ngombe.] see ombe. [Richardson 1885]
|
| a cow, an ox; cattle [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | boeuf, l'espèce bovine ¶ grossier qui ne sait pas la politesse [Abinal 1888]
|
| boeuf [Rajemisa: Vakoka]
|
| boeuf, vache [Hallanger 1974]
|
Fanazavàna iraisam-pirenena | Bos indicus [3.1]
|
Fanazavàna teny italianina | bùe (lahy), vacca (vavy) [Profita 1969]
|
Fanazavàna teny alemà | Rind, Rinder: Mitrena ny omby (die Rinder brüllen) [Bergenholtz 1991]
|
/m:web>
/m:web>
/m:web>
Voambolana |
Anarana siantifika | Bos indicus |
Sampanteny |
Haiendriteny |
omby
ombiko
ombinao
ombiny
ombintsika
ombinay
ombinareo
ombin'
ombin-
ombim-
| |
|
Mpitovy hevitra | ~ ~ ~ ~ ~ ~ |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Tsanganana sy sary iray takila |
|
Ohatra | 1 | Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitra [Rakotonandrasana: Tantsaha]
|
2 | Ombiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireo [Andraina: Mitaraina]
|
3 | Rahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahy [Andraina: Mitaraina]
|
4 | Ariary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé) [Abinal 1888]
|
|
Teny nalaina |
Lahatsoratra |
Haianarantany |
|
Fitanisam-boky | Le Boeuf dans l' Ankaizina.
Madagascar: the zebu as guide through past and present |
Habaka |
|
Sary |
|
|
Teny iditra |
nomby > omby
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Trano ataon' ny bibindandy [Rajemisa 1985]
|
| trano ataon'ny bibin-dandy hisitrihany [Akademia 2005]
|
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885]
|
Fanazavàna teny frantsay | action de faire le cocon, se dit des vers à soie [Abinal 1888]
|
Voambolana |
Sampanteny |
|
Teny iditra |
nomby > omby
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | sefo, lehibe [Sambo 2001]
|
Fanazavàna teny frantsay | chef, patron (le chef est fort comme un [...] [tohiny Sambo 2001]
|
Mpitovy hevitra | ~ ~ ~ ~ ~ ~ ~ ~ ~ ~ ~ |
|