Teny iditra | randrana | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Tambahoaka] volon-doha [Rakotosaona 1975] | ||||
Fanamboarana ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an' ila... na randranampanga, randravonkalana ¶ Karazan-drandrana sy taovolo hita amin' ny foko sasantsasany: ¶ Antaimoro: lafitr' akondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa ¶ Betsileo: bango, bango anakova, bango tsotra, kiary, kifetriposa, kifehaka, kihohoka, kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny, kisahondra, kitelo, kidimy, kifito, kifolo an' ila, kitokandalana, kivona, randrana tsotra, randranketsa, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona ¶ Merina: bango ankatoka, difisesy, kirozaroza, lakolosy, lambomiditra, randramadinika, tananivoho [Rajemisa 1985] | |||||
Fanazavàna teny anglisy | a plait, a tress of hair. [Richardson 1885] | ||||
a braid [Hallanger 1973] | |||||
Fanazavàna teny frantsay | entrelacement de trois, six, huit fils, cordes, cheveux; tresse des cheveux ¶ arrangement des paroles [Abinal 1888] | ||||
tresse [Hallanger 1974] | |||||
Voambolana | Fandram-bolo | ||||
Sampanteny |
| ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra | amin' izato lohany tohizan' ny taovolo midaboka an-damosina natao randrana goragora. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 7] | ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny randrana io | ||||
Teny iditra | randrana | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny frantsay | plante aquatique à tubercules [Abinal 1888] | ||||
[Merina] (de randrana : tresse des cheveux de femmes). « Plante aquatique à tubercules », d'après Malzac. [Boiteau 1997] | |||||
Voambolana | Haizavamaniry: ahitra | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |