Teny iditra | randrana | |||||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | |||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Tambahoaka] volon-doha [1.78] | |||||||||||||||
Fanamboarana ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an' ila... na randranampanga, randravonkalana ¶ Karazan-drandrana sy taovolo hita amin' ny foko sasantsasany: ¶ Antaimoro: lafitr' akondro, ny telo an-kila, tsitombotomboka, vakimanasa ¶ Betsileo: bango, bango anakova, bango tsotra, kiary, kifetriposa, kifehaka, kihohoka, kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny, kisahondra, kitelo, kidimy, kifito, kifolo an' ila, kitokandalana, kivona, randrana tsotra, randranketsa, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volo misaona ¶ Merina: bango ankatoka, difisesy, kirozaroza, lakolosy, lambomiditra, randramadinika, tananivoho [1.1] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | a plait, a tress of hair. [1.2] | |||||||||||||||
a braid [1.7] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | entrelacement de trois, six, huit fils, cordes, cheveux; tresse des cheveux ¶ arrangement des paroles [1.3] | |||||||||||||||
tresse [1.8] | ||||||||||||||||
Voambolana | Fandram-bolo | |||||||||||||||
Sampanteny |
| |||||||||||||||
Kamban-teny |
| |||||||||||||||
Ohatra | amin' izato lohany tohizan' ny taovolo midaboka an-damosina natao randrana goragora.
[2.470] | |||||||||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny randrana io | |||||||||||||||
Teny iditra | randrana | |||||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | |||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | plante aquatique à tubercules [1.3] | |||||||||||||||
[Merina] [1.196] | ||||||||||||||||
Voambolana | Haizavamaniry | |||||||||||||||
Fivaditsoratra | ndranara |
Nohavaozina tamin' ny 2022/09/04 |
![]() |