Teny iditra ranga
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Mitsangana, toy ny sofin'ampondra
¶ Taitra, hendratra: Ranga ny sofindRakoto nahare fa nisy nahazo ilay vola roa hetsy tamin'ny loteria
¶ (tendrombohitra, hazo) Avo, tazandavitra
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra  [Rapatsalahy: Kintana] Ranga daholo ny vatan-dehilahy rehetra.

Teny iditra ranga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] [Sakalava] Karazam-bahy fanao fanafody ho an'ny olona tera-bao.
Voambolana 

Teny iditra ranga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] a hard-wooded tree
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] (probablement de ranga, adjectif : dressé, comme les cornes de certains boeufs). Nom de divers arbustes à bois dur ; surtout :
Voambolana 
Anarana siantifika Campylospermum deltoideum, Thecacoris madagascariensis var. montana

Teny iditra ranga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] [Sakalava] Ditin-kazo fotsifotsy eny amin' ny rantsankazo
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] [Mahafaly, Masikoro, Sakalava Atsimo] (peut être mis pour rango : long et maigre). Nom de diverses plantes aphylles ; surtout : Cynanchum aphyllum (Thunb.) Schltr. (Apocynaceae), d'après Debray. Nom relevé aussi pour Cynanchum ampanihense Jum. & H.Perrier (= C. humbertii Choux) et Cynanchum antandroy Desc. (fichier Boiteau). Ces lianes aphylles secrètent un revêtement abondant : mélange d'acides triterpéniques et d'acides aliphatiques à longue chaîne, non encore étudiés. Ces substances sont inflammables et permettent aux écorces de brûler même à l'état frais. On en fait des sortes de torches.
Voambolana 
Anarana siantifika Cynanchum ampanihense, Cynanchum antandroy, Cynanchum aphyllum

Nohavaozina tamin' ny 2022/05/29