Teny iditra |
saha
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rakotosaona 1975]
[Bara]
tany lemaka |
| [Rakotosaona 1975]
[Sihanaka]
lohasaha, tany lemaka
|
| [Rakotosaona 1975]
[Tanala]
lohasaha
¶ tanimboly
|
| [Rajemisa 1985]
Tany malalaka tsy misy ala na tanàna fa saika fambolena fotsiny (mitovy amin' ny "ambanivohitra" izy amin' ity hevitra ity) ~ Mahafinaritra fa tsara rivotra ny mipetraka any an-tsaha ¶ Tany voavoly somary lehibebe izay saika matetika voafaritra; tanimboly: ~ Kisolosolo tsara ny saham-boalobokay ~ Hatreto no ho miantsinanana no misy ny sahanay |
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885 takila 536]
the country, out of town; an orchard |
| [Hallanger 1973]
valley; a field, a garden; the country |
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974]
vallée; champ; jardin; la campagne |
Voambolana |
Sampanteny |
Haiendriteny |
saha
sahako
sahanao
sahany
sahantsika
sahanay
sahanareo
sahan'
sahan-
saham-
| |
-tsaha
-tsahako
-tsahanao
-tsahany
-tsahantsika
-tsahanay
-tsahanareo
-tsahan'
-tsahan-
-tsaham-
| |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Mpanahaka |
tantsaha |
Ohatra | [Andraina: Mitaraina, takila 172]
Ny fandriana amin' ny alina dia lapa be eo an-tsisin' ny saha.
|
Teny nalaina |
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
saha
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rakotosaona 1975]
[Taisaka]
renirano
|
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885 takila 536]
[Provincial]
used for renirano
|
Voambolana |
|
Teny iditra |
saha
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
ozona,
ompa
|
Fanazavàna teny frantsay | [Abinal 1888 takila 557]
insulte |
Sampanteny |
|