Teny iditra |
saina
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fitaovan' ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala: Tsy manan-tsaina ny biby ka tsy mahazo izay lazaina aminy ~ Marani-tsaina ity zaza ity ¶ Eritreritra: Tsy tonga tao an-tsaiko izany ¶ Fitsarana zavatra: Tery saina ianao izany [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | the mind, the intellect [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | l'esprit, l'intelligence [1.8]
|
Voambolana |
Haiendriteny |
saina
saiko
sainao
sainy
saintsika
sainay
sainareo
sain'
sain-
saim-
sai-
| |
-tsaina
-tsaiko
-tsainao
-tsainy
-tsaintsika
-tsainay
-tsainareo
-tsain'
-tsain-
-tsaim-
-tsai-
| |
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Ohatra |
1 | Dia nivady nifanara-draharaha tsara Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy, fa nitovy saina.
[2.293]
|
2 | Mahazo vahana ihany koa na hafetsifetsenna isan-karazany ampiasainy saina sy hevitra matsilo.
[2.470]
|
3 | Nisy zavatra nisakana ny sainy tsy hanoratra;
[2.324]
|
4 | Ny hafaliam-po anaty ihany no mameno ny sainy
[2.470]
|
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
saina
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Tapadamba misy tahony na hazony, izay natao fanevan' ny tafika tany am-boalohany, ary tonga famantarana ny firenena tatý aoriana amin' ny lokony samy manana ny azy: Ny saina malagasy dia fotsy, mena, maitso. [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | an ensign, a flag, a banner [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | drapeau, bannière [1.8]
|
Haiendriteny |
saina
saiko
sainao
sainy
saintsika
sainay
sainareo
sain'
sain-
saim-
sai-
| |
-tsaina
-tsaiko
-tsainao
-tsainy
-tsaintsika
-tsainay
-tsainareo
-tsain'
-tsain-
-tsaim-
-tsai-
| |
|
Ny fihaviany | Frantsay: enseigne.
|
Mpitovy hevitra | |
Lahatsoratra |
|