Teny iditra |
sakany
|
Sokajin-teny | anarana sakana sy mpisolo
|
Fanazavàna teny malagasy | Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany ¶ Habe salasalany, antonintoniny [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | the width [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | largeur [Hallanger 1974]
|
Voambolana |
Ohatra | Efa tonta ihany ilay varavarana ka takela-kazo sahabo ho iray zehy sakany sy roa halavany no azo nakisaka hijereny ny ati-trano. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 160]
|
|
Teny iditra |
sakany
(sakana)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | ¶ Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy ¶ Salasalany, atriatry: Sakan-karona. [Rajemisa 1985]
|
Voambolana |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|
Teny iditra |
sakany
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Betsileo]
Vantotr' ombivavy afa-miteraka [Rajemisa 1985]
|
Mpitovy hevitra | ~ |
|