Teny iditra | sampana | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Ny rantsana madinika miray amin' ny vataben' ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo ¶ Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin' ny foto-be: Amin' ireo rano avy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa ¶ Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin' ny firaisam-be: Ny marika dia sampan' ny fianarana ambaratonga voalohany ¶ Fikambanana kely izay mifandray amin' ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin' ny sampan' ny Fikambanan' ny Ray aman-drenin' ny mpianatra eto amin' ny faritany | |
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] a branch, a branching off; a branch group or organization | |
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974] branche; branchement; filiale | |
[Boiteau 1997]
. Bifurcations d'une tige, surtout lorsqu'elles sont divariquées. Plus généralement : ramifications. D'où :
| ||
Voambolana | Haizavamaniry | |
Sampanteny |
| |
Ohatra | [Andraina: Mitaraina, takila 63]
Vao vita kelikely ny lalam-by Antananarivo-Toamasina, dia nasiany sampana avy ao Moramanga mankany amoron' Alaotra. | |
Haianarantany | ||
Nohavaozina tamin' ny 2020/10/12 |
![]() |