Teny iditra |
sampona
|
Sokajin-teny | anarana na mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra sendra miseho na tonga ka misakana tsy hanatanteraka izay efa nokasaina hatao; sakana: Ho tonga aho raha tsy misy sampona ¶ Voasakana, voatana: Sampona ny diany ~ Sampon' ny fahafatesan-dreniny izy ka tsy tonga [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | a hindrance ¶ hindered [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | empêchement ¶ empêché [Hallanger 1974]
|
Sampanteny |
Ohatra | Nanomanomana ny hiakaran-dRazaimalala any Imerina Ramatoa Ramavo, nefa sampona ny dia, fa nararirary Ingahy Rainialijaona. [Rajohanesa: Kintana]
|
Teny nalaina |
|
Teny iditra |
sampona
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra na olona manana toetra tsy araka ny hita andavanandro fa hafahafa: Trondro sampona [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | malformed offspring [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | enfant mal formé, monstre [Hallanger 1974]
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|