Teny iditra |
silaka
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | potika, sombina, vaky, tapaka ¶ triatra, na vaky: Silaka ny nifiko ¶ menatra: Silaka aho notenenin' ny lehibe teo imason' ny mpiara-miasa [1.1]
|
Teny iditra |
silaka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | hazo na vy asisika eo amin' ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan' ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato ¶ Ny potiny na sombiny avy amin' ny zavatra novakina na vaky: Sila-mofo [1.1]
|
| sombiny [1.13]
|
Fanazavàna teny anglisy | a splinter, a small piece split off [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | éclat de bois, pierre qui s'écaille ou se sépare [1.8]
|
Sampanteny |
Ohatra |
1 | Samy mitana (mihazona) silaka voankena tsirairay ireo.
[2.245]
|
2 | Izy ireo no tena foko feno fa ny sisa toa silaka foko ihany avokoa na ambiny aza.
[2.606]
|
|
|
Teny iditra |
silaka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | partie: Silaka tontolon'i X = E [n] (Partie de X = E [n]) [1.13]
|
Voambolana |
|