Teny iditra | silamo | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Antokom-pivavahana naorin'i Mahometa, mino an'Andriamanitra tokana antsoiny hoe Allah, ary ny foto-pampianarany dia ao anatin'ny boky iray atao hoe Coran. Ny silamo dia miely eran'i Afrika (indrindra amin'ny ilany avaratra), any amin'ny tanin' ny Arabo, Tiorka, Irakianina, Iranianina...; tsy antokom-pivavahana fotsiny ihany ny silamo, fa mbola fitsipika iompanan'ny lalàm-panorenan'ny fanjakana misy azy avy [Rajemisa 1985] | |
Voambolana | Fivavahana, finoana | |
Ny fihaviany | Frantsay: islam. | |
Teny iditra | silamo | |
Sokajin-teny | anarana na mpamaritra | |
Fanazavàna teny malagasy | Olona anisan' ny antokom-pivavahana miozolimanina, naorin' i Mahometa [Rajemisa 1985] | |
Voambolana | Fivavahana, finoana | |
Ohatra | Fantatr' I Lidy tamin' ny fahitàny, indray alina iny, fa manasina sy milalao fanafody amin' ny fomba silamo, Ramanambeloma mivady. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 161] | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |