Teny iditra solomaso (solo, maso)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Fitaovana misy fitaratra roa manampy ny maso mba hahita tsaratsara kokoa
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885 takila 583] a pair of spectacles
  [Hallanger 1973 takila 87] spectacles
  [Yount 1995 takila 71] glasses
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974 takila 81, Rajaonarimanana 1995 takila 266] lunettes
Ohatra 
1 [Andraina: Mitaraina, takila 194] Lehilahy lehibe anankiray, lava marotsaka, efa zokinjokiny, ary manao solomaso, no nitsangana.
2 [Ravelomanana: Lalana, takila 29] Raisiny ilay solomasony mba hafahafa izay, fa solomaso mihorona, tsy misy afa-tsy tahony tokana.
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31