Teny iditra somary (sary)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Mody, tsy dia tena: Somary nisafosafo saoka izy tamin' izay
¶ Manopy: Somary vony
¶ Saika... kely: Somary adalaizay ny rainy.
¶ Atsimo somary atsinanana: atsimo lasa miantsinanana kely
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] sort of, somewhat like
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] en quelque sorte, un peu comme si
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Rajohanesa: Kintana] --Mahafinaritra ity izy, hoy ny famaliny ny tenin-dRandrianaivo, ny feony somary mavesabesatra sy mivelabelatra.
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 64] Somary naka hery Rainitoandro ka nampakatra ny feony.
3 [Andriamalala: Ranomasina, takila 39] Hoy aho somary nihomehy.
4 [Andraina: Mitaraina, takila 198] Ny fihetsiny ao an-trano koa toa somary terena, somary henjana.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31