Teny iditra |
tandroka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra mafimafy toy ny taolana mipoitra eo an-dohan' ny biby sasantsasany toy ny omby, ny osy,... ka ataony fiadiana sy hiarovany tena amin' ny fahavalony [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | a horn [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | corne [Hallanger 1974, SLP 1986]
|
| Cornes des animaux ¶ Pour les plantes, fruits ayant la forme de cornes : double follicule de nombreuses Apocynaceae ¶ En médecine populaire : nom des ventouses, parce qu'on faisait à l'origine, les ventouses avec la corne évidée d'un boeuf, percée à son sommet. [Boiteau 1997]
|
Voambolana |
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Mpanahaka |
Bikan' ny tandrok'omby
|
Ohatra | Ny trano kotona dia avo loka, be sakana, lava tandroka. [Rainitovo: Antananarivo]
|
Teny nalaina |
Lahatsoratra |
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
tandroka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Olona ambony ara-pahaizana na ara-pahefana ka miahy sy miaro ny vahoaka ary mitsangana ho voninahiny: Ianareo foloalindahy no tandroky ny firenena [Rajemisa 1985]
|
Ohatra | Ny faherezana hitondra fanjakana no tandroka. [Callet: Tantara, takila 126]
|
|