Teny iditra tanjona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tany eo amorondrano azo ipetrahana raha miala avy ao anaty rano;vody tanety mandroso ao anaty rano mora itodian' ny lakana
  [SLP 1986] tendrotany mandroso any anaty ranomasina
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] the protruding shoulder of a mountain; a cape, a peninsula
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] épaule d'une montagne; cap, presqu'île
  [SLP 1986, FTM: Sarintany, Rajaonarimanana 1995 takila 282] cap
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny tanjona ity (1): Tanjombato

Teny iditra tanjona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Zava-kendrena, faritra kendrena ho tratra: Ny fitovian-jo tanteraka no tanjona hotratrarin' ny fitondrana entim-bahoaka
  [SLP 1986] zava-kendrena
Fanazavàna teny frantsay  [SLP 1986] but, objectif, but idéal
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra  [SeFaFi , 2006/10/20] Mazava ho azy fa tsy ho tratra amin' ny fotoana iray ireo tanjona ireo.

Nohavaozina tamin' ny 2021/03/30