Teny iditra teny
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Feo avoakan' ny vavan' ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy
¶ Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin' ny hoe: "Io eo Rakoto"
¶ Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain' ny firenana samihafa: Mahay teny anglisy ve ianao?
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] a word; speech; a language
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974, SLP 1986, Rajaonarimanana 1995] mot
  [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995] parole
  [Abinal 1888] proposition, discours, commandement, prohibition, défense, commission, la volonté exprimée des ancêtres, des parents
  [Rajaonarimanana 1995] ordre
  [Hallanger 1974, SLP 1986] langue
  [Hallanger 1974] langage
Voambolana 
Sampanteny 
Haiendriteny 
teny
teniko
teninao
teniny
tenintsika
teninay
teninareo
tenin'
tenin-
tenim-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Fox: Hainteny, laharana 77] ka ahoana ny teniny ahoana ny hafany?
2 [Rabezandrina: Ikotofetsy, takila 34] ary izao no teny nentiny nila azy:
3 [Rajohanesa: Kintana] -Izany ihany no teniko aminareo, hoy ny Vazaha.
4 [Randzavola: Baiboly, takila 34] Atao dikan' ilay teny grika hoe:
Teny nalaina 

Teny iditra teny (t-, eny)
Sokajin-teny ny lasan' ny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Endriky ny mpamaritra matoanteny "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin' ny volana ve tamin' ny taona 1920?
Mpanahaka  eny
Ohatra  [Rajohanesa: Kintana] Nony tonga teny atsimotsimo akaikin'ny tanàna izy, dia tsiravina nahita ny faty niampatrampatra teny

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31