Teny iditra |
terena
(tery)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny iharana
|
Fanazavàna teny malagasy | Potserina, fihinina: Notereko ny tanany ka nijafajafa izy ¶ Atosika sady poretina: Mihisakisaha fa terenareo aho ¶ Asaina manao tsy aralia ny sitrapo; vozonana; anaovana an-terisetra: Noterena mihitsy izy vao niaiky ny hadisoany ¶ (tohatr' omby) Potserina, fihinina mba hivoahan' ny ronono: Noteren' Isambilo ilay ombivavin-dry zareo atsy avaratra [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | forcé [1.13]
|
Haiendriteny |
terena
tereko
terenao
tereny
terentsika
terenay
terenareo
teren'
teren-
terem-
tere-
| |
noterena
notereko
noterenao
notereny
noterentsika
noterenay
noterenareo
noteren'
noteren-
noterem-
notere-
| |
hoterena
hotereko
hoterenao
hotereny
hoterentsika
hoterenay
hoterenareo
hoteren'
hoteren-
hoterem-
hotere-
| |
tereo | |
|
Kamban-teny |
|
Ohatra | Ny fiheverako ny fanambadiana terena ataon'ny olona amiko koa no nahareraka ahy, ka nahatongavako tany Antsirabe;
[2.324]
|
Ohabolana |
|