Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | mpampitohy
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toa an-drainy -- (Be maso toy ny rainy ity zaza ity) ¶ (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany; -b) eo alohan' ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy; -d) eo alohan' ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan' ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan' ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany ~ Toy izao ny fandehan' i Feno kely |
Fanazavàna teny frantsay | [Rajaonarimanana 1995 takila 293]
semblable, comme, on dirait |
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | Tsy lazaina
|
Fanazavàna teny frantsay | [Abinal 1888 takila 704, Rajaonarimanana 1995 takila 293]
obéir, servir |
| [Abinal 1888 takila 704]
abdiquer, se soumettre à, honorer |
Sampanteny |
|
Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Ohatra ny: Toa manavy aho izany ¶ Angamba: Toa lasa omaly Rakoto |
|
Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
teny anti-miantso ny alika |
Mpitovy hevitra | |
|
Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Voalohany, lehibe, niavian' ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa |
Sampanteny |
|
Teny iditra |
toa
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | [Rakotosaona 1975]
[Taisaka]
banga (antsy,ets.) |
|