Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fandentehana angady amin' ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana amin-java-maranitra [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny frantsay | un coup de pioche donné à la terre [Abinal 1888]
|
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadinany endrikendrika, ny tomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny frantsay | accusations fausses [Abinal 1888]
|
Sampanteny |
Mpitovy hevitra | |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fametahana kase amin' ny taratasy, fametahana marika amin-javatra: Tombo-kase ~ tombo-kavatsa [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny frantsay | apposition du cachet à une pièce officielle [Abinal 1888]
|
Sampanteny |
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka]
Vary an-tanety ambolena amin' ny tavy ka jinjaina amin' ny fahavaratra [Rajemisa 1985]
|
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fiandohan' asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin' izay atao [Rajemisa 1985]
|
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Bibikely mamorivory fotsy ao anatin' ny ranon' ando maraina izay heverin' ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan' ny tomboka ny tongotr' Isambito ¶ Karazana vay mpahazo ny omby [Rajemisa 1985]
|
| karazana aretina mpahazo ny olona sy ny biby ateraky ny basiliosin'arina [SLP 1986]
|
Fanazavàna teny frantsay | charbon, anthrax, bubon très douloureux [Abinal 1888]
|
| charbon [SLP 1986]
|
Voambolana |
Mpanahaka |
fanenitra ~
tetanosy |
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Bezanozano]
loaka, lavaka [Rakotosaona 1975]
|
|
Teny iditra |
tomboka
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | [Bezanozano]
bongo: Trano bongo [Rakotosaona 1975]
|
|