Teny iditra traikefa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Akademia 2005A takila 115, Akademia 2005 takila 1017] fahaizana amam-pahalalana ananan' ny olona iray ary efa vita sedra sy nahazoam-pahombiazana maro tamin' izay nampiharana azy ka mendrika hitanana sy ampiasaina hatrany
Fanazavàna teny frantsay  [Akademia 2005A takila 115] expérience
Haiendriteny 
traikefa
traikefako
traikefanao
traikefany
traikefantsika
traikefanay
traikefanareo
traikefan'
traikefan-
traikefam-
Ohatra 
1 [Wresinski: Mahantra] Tsy traikefa no noresahiko fa ambaratonga eo amin' ny asa.
2 [Akademia 2005, takila 1017] Noho ny traikefa ananany no nihazonan' io Lehiben' ny orinasa io izy.
3 [Wresinski: Mahantra] Manana fahatsiarovana milevina anefa isika, manana traikefa hita miharihary.
4 [Razafiarivony: Harivolana, takila 16] Ny fahalalana anefa tsy tongatonga ho azy amin'izao ao an-dohan'ny olona iray, fa avy amin'ny fampiharana na traikefa eo amin'ny fiainam-piarahamonina pratique sociale, hoy i Mao Tse Toung.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31