Teny iditra tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an' ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony
  [Akademia 2005] vato lehibe ajoro ho fahatsiarovana ny olona maty tany an' ady na noho antony hafa ka tsy hita ny taolambalony
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] a gravestone, cenotaph, tombstone; a stone set up on end as a memorial of some event
  [Hallanger 1973] a monument
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] pierre ou monument commémoratif
Mpitovy hevitra vatolahy
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Vorodamba efa tontan' ny ela no misarona ilay tsangambato (A. Rajon)
2 [Rajaonarivelo: Bina, takila 80] lo no tsangambato tsy levona mariky ny nanapahan' ny Hova azy.
3 [Randriamamonjy: Tantara, takila 30] Maro ny tsangambato navelany izay ataon' ny olona hoe Vatonkimosy.
4 [Andraina: Mitaraina, takila 264] Nanorina tsangambato teo akaikin' Ambaiboho, teo amin' ny moron' i Sahabe, ny mponin' Antsihanaka atsimo, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana aminy namoy aina tao amin' ilay renirano manan-tantara.
Teny nalaina 
Sary 

Teny iditra tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro lehibe na malaza tsy hohadinoina
  [Akademia 2005] asa mendrika hotadidina sy hotsarovana mandrakariva, andro manan-daza tsy tokony hohadinoina
Ohatra  [Rajemisa 1985] Ny boky no tsangambato avelan' ny mpanoratra ho an' ny taranaka

Teny iditra Tsangambato
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Fanazavàna teny frantsay  [Ranaivoson 2004] Pendant son incarcération, [Randriamaromanana] a écrit un livre Tsangambato, où il laisse des conseils, des réflexion sur la philosophie malgache, sur le pouvoir, la culture. Cet ouvrage est encore inédit.
Mpanoratra Randriamaromanana Albert, 1948
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Teny iditra Tsangambato (tsangana, vato)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -20.1666667, 45.2
-19.9833333, 48.7833333
-17.5833333, 49.1666667
Haianarantany tsangana, vato

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31