Teny iditra | tsapaina (tsapa) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny iharana | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Kasihina amin' ny tanana: Tsy azo tsapain-tanana ny vokatry ny asa saina ¶ Pondipondena: Tsapao kely ange ho hitanao ny hatavin' ity vorona ity e! ¶ Adinina: Notsapaina tamin' ny resaka sy ny marika ny fahaizako ¶ Andramana: Rahoviana no hotsapaina ilay ombinareo vao nofoiahina? ¶ Fantarina amin' ny alalan' ny fanontaniana; harofana, anaovana don-tandroka: Notsapaiko izay tena heviny marina ¶ Zahana toetra: Matetika ny olo-marina no tsapain' Andriamanitra amin' ny fakam-panahy masiaka dia masiaka [1.1] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Fivaditsoratra |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |
![]() |