Teny iditra tsara fanahy (tsara, ahy)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] enti-milaza toetra mendrika, malemy fanahy ary manana fandavan-tena hanasoa ny hafa; tsara fo; mahay mitondra tena; salama tsara
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] [tsara, good.] Of good disposition; one free from disease
  [Hallanger 1973] good, pleasant
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] bon, vertueux
Mpanahaka  malemy fanahy ~ malemy paika ~ mazava fo ~ mazava saina ~ tsopo ~ antra olona ~ be indrafo ~ malala-tanana ~ mora hatonina ~ mora hiraharahana ~ mamy hoditra ~ mahafoy tena ~ be fahafoizan-tena ~ mahay mandray olona ~ mahay olona ~ manana hatsaram-panahy ~ tsara toetra ~ olo-marina ~ olom-banona ~ fototr' olona

Teny iditra tsara fanahy (tsara, ahy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] [Tankarana] (sens général : vertueux, qui se conduit bien ; c'est probablement une antithèse car ceux qui boivent la boisson fermentée préparée avec les fruits se conduisent fort mal en général). Ehretia suarenzensis Capuron Ined. (Boraginaceae).
Voambolana 
Anarana siantifika Ehretia suarenzensis

Nohavaozina tamin' ny 2022/11/25