Teny iditra | tsikirity | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Voronkely mitovitovy bika amin' ny fody, fa kely ary matetika miara-dia aminy saingy mpanara-dia fotsiny, nahatonga ilay ohabolana hoe: "Tsikirity momba fody: tsy tompon-dia fa mpanaraka [Rajemisa 1985] | |
Fanazavàna teny anglisy | the weaver-finch [Hallanger 1973] | |
Fanazavàna teny frantsay | le bouvreuil nain. Spermestes nana, Pucheron [Abinal 1888] | |
bouvreuil nain [Rajemisa: Vakoka] | ||
petit oiseau, le bouvreuil nain [Hallanger 1974] | ||
Voambolana | Haibiby: vorona | |
Anarana siantifika | Spermestes nana | |
Ohatra | Indreny ny fitatra liana ady, ny fody mpisodisody, ny tsikirity mpisitisity fa samy niantsa ny kalony avy, hitory ny hamamin' ny miaina. [Andriamalala: Zazavavindrano] | |
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny tsikirity io | |
Lahatsoratra | Randzavola: tsikirity ao amin' ny Baiboly (=> tsintsina) | |
Teny iditra | tsikirity | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Zavamaniry mandadina fihinan-dravina ( Mussaenda arcuta) [Rajemisa 1985] | |
Fanazavàna teny frantsay | petite liane dont on mange les feuilles. Mussaenda arcuta, Lam. [Abinal 1888] | |
Voambolana | Haizavamaniry: ahitra | |
Anarana siantifika | Mussaenda arcuta | |
Ohatra | tsikirity iray ala vonin-tseva iray lohasaha [Fox: Hainteny, laharana 63] | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |