Teny iditra |
vady
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Ny iray amin' ireo olona roa (lahy sy vavy) mikambana araka ny fanambadiana: Lasa nandranto ny vadin-dRamatoa Rasoa. (Matetika, indrindra taloha, ny vehivavy voahataka, voatitra vodiondry, nampakarina no natao hoe vady, fa raha tsy vita araka ireo dia sakaiza, na ranitra, na vazo, na saingy, na tokantranomaso)
[Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | a spouse [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | époux, épouse [Abinal 1888 takila 797, Hallanger 1974]
|
Voambolana |
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra | Izy mianaka angaha no vady aman-janakao? [Andraina: I Vola, takila 9]
|
Teny nalaina |
Lahatsoratra |
|
Teny iditra |
vady
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Ny singany amin' ny zavatra iray lomisy na iray aman' olona: Nankaiza ny vadin' ity kiraro ity? ¶ Iray amin' ny zavatra fahita na fampiasa miaraka mandrakariva tahaka ny mifameno, toy ny savily sy ny lahintsavily
[Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | one of a pair [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | ce qui fait la paire, le pendant, mâle et femelle, se dit des animaux, des plantes, des outils, des choses qui se complètent l’une par l’autre, qui vont l’une avec l’autre, comme le gond avec la penture, la mortaise et le tenon [Abinal 1888 takila 797]
|
| ¶ l'un d'une paire [Hallanger 1974]
|
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Teny nalaina |
|