Teny iditra vakoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Masombola na rojo volafotsy vaventy fanao haban-tanana
¶ Vola na harena tehirizina; rakitsoa sarobidy navelan' ny ray aman-dreny na ny razana.
  [Akademia 2005 takila 1076] rojo volafotsy vaventy fanao haban-tanana
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] a silver chain
¶ inherited treasure
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 804] une grande chaîne d'argent
¶ trésor
  [Hallanger 1974] chaîne d'argent
¶ trésor dont on hérite
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Callet: Tantara, takila 574] ary rahefa izany, asiana ny vakoka sy ny haingo:
2 [Fagereng: Tantara, takila 20] Mirandrana izy, ary volamena avokoa ny satroboninahitra, ny fehivozona, ny fehin-kibo, ny vakoka nanaovany.

Teny iditra vakoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] Malagasy traditions
Fanazavàna teny malagasy  [Akademia 2005 takila 1076] akora na fitaovana tranainy mirakitra ny ela ahitana taratra ny maha izyy azy ny firenena sy ny vahoaka mbamin' ny tantarany ka zary harem-pirenena, rakitsoa saobidy tehirizina ho fantatry ny taranaka mifandimby: Maro ny vakoka nentin-drazana
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] traditions
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra  [Fanjakana: Lalam-panorenana] Ny Fanjakana, miaraka amin' ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, no miantoka ny fampivoarana sy ny fiarovana ny vakoka ara-kolontsaim-pirenena sy ny famokarana ara-tsiansa, ara-haisoratra ary ara-javakanto.

Teny iditra vakoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] [Betsileo] (sens général : trésor, objets précieux). Trema orientalis Blume (Ulmaceae). Nom donné à cet arbre quand on utilise son bois à faire des talismans contre les effets de la foudre ou la peur du tonnerre.
Voambolana 
Anarana siantifika Trema orientalis

Teny iditra Vakoka
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Zana-dohateny Dictionnaire des Synonymes de la Langue Malgache
Mpanoratra Rajemisa-Raolison Régis
Fanonta printy 1948, 1955, 1957, 1965, 1965. Ambozontany. Ambainy: 14cm. Haavony: 19cm. Takila: 334.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31