Teny iditra | voa~ | ||||||||||||
Sokajin-teny | tovona | ||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985] Tovona fanaovana matoantenin'ny iharana milaza vokatra efa azo: Voavory, voateny. (Marihina fa tahaka ny amin' ireo tovona rehetra vaninteny roa, toy ny tafa, maha, dia latsaka ny a amin' ny voa eo alohan' ny fototeny manomboka amin' ny a: Voarina (fa tsy voaarina) -- (ampitahao amin' ny tafarina, maharina) | ||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] Prefix used to form passives verbs of completed action, as: voavèla (vela): forgiven | ||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | [Rajemisa: Grammaire]
Le préfixe voa- indique une action complètement subie, venue de l'extérieur:
voavory tamin'ny valo ny mpianatra (les élèves ont été rassemblés à huit heures)(cela suppose que quelqu'un les a rassemblés) ¶ le passif à préfixe voa- s'obtient en préfixant à quelques racines primaires le mot voa-, dont l'a ne s'élide que devant un autre a: voa-avotra = voavotra, voa-endy = voaendy, voa-ilika = voailika, voa-ova = voaova, voa-tapaka = voatapaka | ||||||||||||
[Hallanger 1974] Préfixe de verbes passifs qui indiquent une action accomplie; ex.: voavela (vela), à qui on a pardonné | |||||||||||||
[Dez: Syntaxe takila I.81] Le préfixe /voa/ semble avoir la même origine que le radical verbal voa. Il est affixé à des radicaux nominaux et parfois des radicaux verbaux. Lorsque le radical commence par /a/, il n'y a pas contraction avec le /a/ du préfixe, du moins dans l'usage écrit, car, pratiquement, dans l'usage parlé, lorsque d'une façon générale le radical commence par une voyelle, on obtient auditivement l'impression d'une élision du /a/ final du préfixe | |||||||||||||
[Dez: Syntaxe takila II.23] Le préfixe est articulé /va/ dans certains parlers (observé en Tsimihety, en Antaisaka) ou /vo/ (observé en Antaisaka) | |||||||||||||
[Boiteau 1997] Préfixe verbal qui marque le participe passé passif ; c'est-à-dire une action qu'on a reçue, qu'on a subie. Exemple : voakapoka (de kapoka : coups) qui a été frappé, qui a reçu des coups ; voavoaka (de voaka : sortie) : qu'on a chassé, qu'on a fait sortir. | |||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||
Teny iditra | voa | ||||||||||||
Sokajin-teny | matoanteny mpamaritra | ||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Tratra: Voan' ny vato ilay fody ka dangy ¶ Azo: Voan' ny sery aho izany ¶ Simba, voaloto...: Voan' ny fotaka ny akanjoko ¶ Iharam-pahavoazana, iharan-doza: Voa mafy aho fa maty ny raiko ¶ Maty antoka, maty loka...: Diso fotoana aho ka voa terỳ ~ Voa tamin' ny varotra nataoko aho ¶ Resy: Voan-dRakoto izy tamin' ny fifaninanana ¶ Hay: Tsy voako ilay marika natao tamin' ny fanadinana | ||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] struck, hit; wounded | ||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974] atteint, frappé; blessé | ||||||||||||
[Dez: Syntaxe takila I.81] atteint, frappé, touché, pris | |||||||||||||
[Boiteau 1997]
atteint, touché, pris, capturé, blessé ¶ au sens figuré : déshonoré, taché, etc. | |||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny voa io | ||||||||||||
Teny iditra | voa | ||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Organa kely boribory ao anatin' ny voankazo, izay mety mitsimoka raha ambolena, ka tonga zavamaniry hafa indray mitovy karazana amin' ilay niaviany: Nividy voan-daisoa izy hamboleny ¶ Enti-milaza ny voankazo raha kelikely madinika: Voam-boaloboka ¶ Enti-milaza koa rehefa mety ho zavatra boribory kely: Voan-tsapile | ||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] fruit; seed grain | ||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974] fruit; graine | ||||||||||||
[Boiteau 1997] Dans toute l'île : fruit ou graine. Quand le fruit et la graine sont confondus, comme dans le caryopse du riz, le mot s'applique à leur ensemble. Si les graines peuvent être distinguées, comme les petits pois, voa s'applique au fruit et on appelle la graine voakely ou voananatiny, « fruit de l'intérieur ». Cette racine donne de nombreux dérivés. De très nombreux noms de plantes commencent par voa. Par exemple : voabana, « fruit de bana », aubergine, désigne tantôt le fruit ou aubergine, tantôt la plante qui le produit. | |||||||||||||
Voambolana | Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny | ||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny voa io | ||||||||||||
Lahatsoratra | Randzavola: voa ao amin' ny Baiboly | ||||||||||||
Teny iditra | voa | ||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985] Organa roa mitovy, menamena, eo an-dany roan' ny hazondamosina, izay if oronan' ny fivalanandrano avy amin' ny fandiovany ny ra amin' ny loto rehetra nentin' ny ra ombieny ombieny amin' ny lalana nalehany. | ||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] kidneys | ||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974] rein, rognons | ||||||||||||
Voambolana | Haiaina | ||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||
Teny iditra | voa | ||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rakotosaona 1975] [Tanosy] tevika (aretina) | ||||||||||||
Voambolana | Fahasalamana | ||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30 |
![]() |