Teny iditra voady
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fametrahan-teny hanao zavatra iray raha tahiny ka tanteraka izay tadiavina na irina: Manefa ny voady nataony Baba
¶ Fianianana na fanomezan-toky eo imason' ny solontenan' ny Eglizy: Manao voadin' ny fanekena sy fahantrana ary fahadiovana ny relijiozy
Mitovy hevitra: dina ~ lokaloka ~ orimbato ~ teny nomena ~ tsikafara [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy a vow [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay voeu [Abinal 1888 takila 842, Hallanger 1974]
 offrande promised par voeu, ferme résolution [Abinal 1888 takila 842]
Sampanteny 
Ohatra 
1Eny, tsaroako iny ary tsy ho hadinoiko mandra-pahafatiko, fa nitahiry ilay voady masina nataontsika. [Rajaonarivelo: Bina, takila 19]
2Ny saotra, hoy ianao teo, dia natomboka tamin' ny fanaovana voady any amin' ny mangingina any aloha; [Ndema: Antakay, takila 137]
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31