Explications en malgache | Anaram-bola malagasy ampahefatra amby roapolon' ny ariary, izany hoe mitovy amin' ny 0,fr 20 amin' ny vola ankehitriny.
-- Ny voamena no ampahan' ny ariary nalaina ho fototra ho an' ny vola hatramin' ny lavoamena ka hatramin' ny lasiroa, izany hoe:
ny lavoamena (ilan' ny voamena: 0,fr 10),
ny
latsakafitoventy (voamena latsaka varifitoventy: 0,fr 15),
ny
latsapaheniny (voamena latsaka faheniny: 0,fr 17),
ny voamena (0,fr 20),
ny
fitoventisivoamena (0,fr 25),
ny
lasiray (ilan' ny voamena sy iray voamena: 0,fr 30),
ny
roavoamena (0,fr 40),
ny
lasiroa (ilan' ny voamena sy roa voamena: 0,fr 50).
[1.1]
|