Teny iditra volamena (vola, mena)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] karazana metaly anisan'ireo antsoina hoe "sarobidy": mavomena mamiratra ny volony, mavsan-danja izy, azo hanifisina faran'izay kely ary tsy mety miova fenitra na oviana na oviana: ireo toetrany rehetra ireo no nahatonga azy hanaovana firavaka sarobidy isan-karazany sy ho fototry ny sandam-bola miasa eran-tany; misy karazany roa ny volamena: ny volamena maitso sy mena. tsy hihiratra: tsy saro-pantarina fa miavaka eny ihany ny zava-tsoa sy saro-bidy na dia very amin'ny toerana tsy mendrika ary aza.
  [SLP 1986] karazana metaly sarobidy mavo na fotsy na mena
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] gold
Fanazavàna teny frantsay  [Beaujard 1998] [Tanala] or. Associé au monde du ciel
  [Abinal 1888, Hallanger 1974, SLP 1986] or
  [Rajaonarimanana 1995] or (métal)
Marika iraisam-pirenena  [3.1] Au
Voambolana 
Haiendriteny 
volamena
volameko
volamenao
volameny
volamentsika
volamenay
volamenareo
volamen'
volamen-
volamem-
volame-
-bolamena
-bolameko
-bolamenao
-bolameny
-bolamentsika
-bolamenay
-bolamenareo
-bolamen'
-bolamen-
-bolamem-
-bolame-
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Tsanganana sy sary iray takila Fisokajiana miherina
Ohatra 
1 [Baiboly: 22.28.1] Misy toerana ihadiam-bolafotsy, misy toerana fanadiovam-bolamena
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 90] Randra-madinika no nanaovany ny volony ary kavina volamena kely izay no nitevika ny sofiny.
3 [Andriamalala: Ranomasina, takila 59] Raha misy ady mipoaka, hoy aho, mba misondro-bidy koa ny volamena sy ny vatosoa.
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/08/14