Teny iditra volana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Sihanaka] [ vôlaña ] teny
  [Rajemisa 1985] Teny atao, teny aloakan' ny vava
Fanazavàna teny anglisy  [Abinal 1888, Hallanger 1973] speech
  [Hallanger 1973] speaking
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974] parole
  [Abinal 1888] promesse, engagement
  [Hallanger 1974] action de parler
Voambolana 
Sampanteny 
Haiendriteny 
volana
volako
volanao
volany
volantsika
volanay
volanareo
volan'
volan-
volam-
vola-
-bolana
-bolako
-bolanao
-bolany
-bolantsika
-bolanay
-bolanareo
-bolan'
-bolan-
-bolam-
-bola-
Mpitovy hevitra kabary
Kamban-teny, lohateny, anarana 
 
Teny nalaina 

Teny iditra volana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefa mandray hazavana avy amin' ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin' ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] the moon
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] la lune
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
 
Mpanahaka  fenomanana
Ohatra 
1 [Rakotonandrasana: Tantsaha] Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony
2 [Andriamalala: Ranomasina, takila 13] Fa tsy misy kintana. Tsy misy volana. Tsy misy lanitra!...
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Teny iditra volana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Ny fotoana ihodinan' ny volana manodidina ny tany
¶ Ny volana malagasy dia mifanentana amin' ny fihodinan' ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin' ny folo no isany: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy, fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: zanvie: 31 andro, fevrie: 28 na 29, marsa: 31, avrily: 30, may: 31, jiona: 30, jolay: 31, aogositra: 31, septambra: 30, oktobra: 31, novambra: 30, desambra: 31.
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] a month
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] le mois
  [SLP 1986] mois
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro
Ohatra 
1 [Rajohanesa: Kintana] Efa iray volana sy tapany no nipetrahan-dRandrianaivo tao Antsirabe
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha] Afaka roa volana eo ho eo, hono, dia handalo ny mpisafo
3 [Andraina: Mitaraina] Volana vitsivitsy taorian'izay, nisy vaovao lehibe anankiray hafa koa, ary nikasika ny miaramilam-potaka ity
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30