Teny iditra h
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tarehintsoratra fahafito ary renisoratra fahadimy amin'ny abidy malagasy; zara raha heno ny feon'ny H, fa indraidray kosa toa voatonona any an-tenda no fandrenesana azy:Maloka ny tontolo rehefa hariva ny andro (zara raha heno) /Nisy nitoraka ny tranonay halina (any an-tenda). Ny H dia miova ho K amin'ny fanakambanan-teny:Manana havana: manan-kavana.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] the seventh letter of the Malagasy Alphabet. It is always an aspirate. It is used for k in many provincial words, as hely for kely; hotro for kotro. Whenever it is preceded by i, a second i follows it for euphony, thus mihady is pronounced mihiady. It is added to all derivative passive verbs beginning with a vowel as a sign of the future tense; and also before all relative verbs, thus ekena (eky), pres., becomes hekena, fut.; anaovana (tao), pres., becomes hanaovana, fut. It is the sign of the future in all act. tr. or act. int. verbs, as manao (tao), pres., hanao, fut. It is sometimes added for euphony between two vowels, as mihavy for miavy, etc. When the verbal prefix man- is added to roots beginning with h, the h is sometimes elided, as manadino [man- and hadino]; and sometimes changed to g, as mangalatra [man- and halatra].
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] Septième lettre et cinquième consonne de l'alphabet malgache, est toujours aspirée; au commencement d'un mot indique souvent le futur des verbes.
Mpanahaka  abidỳ
Tsanganana sy sary iray takila Ny abidia
Lahatsoratra 
Sary 

Teny iditra h-
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny h-]
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] prefix, sign of the future, as in : manào to do; hanào, will do
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] préfixe, indique le futur des verbes; ex. : manao, il fait; hanao, il fera

Teny iditra H
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  [3.1] Hidirôzenina. Singa mietona, voalohany amin'ny fisokajiana miherina.
Fanazavàna teny anglisy  [3.1] Hydrogen
Fanazavàna teny frantsay  [3.1] Hydrogène
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/08/14