Teny iditra o
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tarehintsoratra fahefatra ambin'ny folo ary zanasoratra fahefatra amin'ny abidy malagasy. Ny zanatsoratra O dia mety hanana tonom-peo "ao" amin'ireto toe-javatra telo ireto ka amin'ireo roa farany dia asiana satrony (ô) ny fanoratana azy: a) amin'ny teny avy amin'ny fiteny vahiny: radio, sosisy; b) amin'ny teny fitenim-paritra sasantsasany: ny vôla (tsimihety); d) amin'ilay tenim-piontanana merina "ô": Tompo ô!
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] the fourteenth letter of the Malagasy alphabet. In accented syllables it has the sound of o in move, but a somewhat lighter sound in unaccented syllables. In the interjection "o" (used as a sign of the vocative case) and in some of the provinces it has the same sound as a single o in English.
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] Quatorzième lettre et quatrième voyelle de l'alphabet malgache
Mpanahaka  abidỳ
Tsanganana sy sary iray takila Ny abidia
Teny nalaina 
Lahatsoratra 
Sary 

Teny iditra ô
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Fanao eo aorian' ny anaran' olona antsoina ka italahoana, na anaran-javatra heverina ho toy ny olona ka itenenana: Tompo ô, mihanta aminao izahay! / Ry tanindrazanay malala ô
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] used in addressing people, as : Rakoto ô! oh, Rakoto!
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] (vocative)
Ohatra  [Callet: Tantara, takila 378] Rafotsy ô ! miantso andRampananambonitany, efa lehibe isika

Teny iditra -o
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Mpanahaka  -ko
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Teny iditra O
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  [3.1] Ôksizenina. Singa mietona, fahavalo amin'ny fisokajiana miherina.
Fanazavàna teny anglisy  [3.1] Oxygen.
Fanazavàna teny frantsay  [3.1] Oxygène.
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/08/14