Teny iditra banky
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza olona tsy manana na inona na inona intsony noho ny fahavoazana nihatra taminy. (Jereo Bankirompitra, bankiroty)
Mitovy hevitra: foan-tanana ~ kisoa bory rambo ~ lany fatotra amam-pondrana ~ majifa ny fananana ~ mangadihady toy ny vilany nahandroam-patsa ~ tsy am-bariraiventy ~ tsy filo tsy fihatsaka ~ tsy kibay tsy fively ~ tsy kitay tsy vary maina [1.1]

Teny iditra banky
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Trano fitehirizam-bola izay ametrahan' ny olona vola, isamboram-bola misy antoka, miraharaha ny fifamoivoizan' ny vola, ary manonta vola koa aza indraindray [1.1]
 andry ara-bola natao hisahana ny raharaham-bola ao amin'ny firenena iray [1.13]
Fanazavàna teny frantsay banque [1.13]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: banque.
Habaka 
Bank of Africa http://www.boa.mg
Banky Foiben' i Madagasikara http://www.banque-centrale.mg
BFV - Société Générale http://www.bfvsg.mg

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31